Tazomoka any Ikongo : Manamafy ny fanentanana ny BNGRC

Mangorangorana ny vatana, tsy mahazo aina, tsy mahinan-kanina, misy hafanana, mandoa, miha reraka…Toy izany ny karazana fambaran’aretina tazomoka ary itarainan’ireo olona any Ikongo tao anatin’ny roa volana izao.

Maty ireo mararin’ny tazomoka rehefa tara loatra vao mamonjy toeram-pitsaboana na tsy tonga manatona dokotera mihitsy.
Nanamafy ny mpitsabo any Ikongo fa amin’ny alalan’ny fitiliana ihany no hanamarinana fa tazomoka no mahazo ilay olona na tsia. Rehefa ma­nondro tsipika roa na telo ny fitiliana dia manaporofo fa voan’ny tazomoka ilay olona. Mahafaty mihitsy ny tazomoka tsy voatsabo fa rehefa voaray an-tanana haingana kosa ny marary dia sitrana.
Mila manatona dokotera haingana raha misy ny soritraretina.
Misy ny mitondra ny valanaretina kanefa tsy marary noho ny hamafin’ny hery fiarovany. Mamindra amin’ny olon-kafa marefo anefa ireny olona ireny.
Nandefa iraka manokana ny fanjakana amin’ny alalan’ny BNGRC. Miara-miasa akaiky amin’ny dokotera sy ny manam-pahefana any an-toerana izy ireo. Am-perinasa avy hatrany vantany vao tonga any an-toerana ny ivontoeram-pandrindrana ho an’ny tazomoka. Olona 64 no mampandeha izany.
Mizara fanafody ho an’ireo voaporofon’ny fitiliana fa mararin’ny tazomoka ny ekipa. Manao ny fanentanana amin’ny hatoriana anaty lay misy odimoka na atoandro na alina ihany koa izy ireo. Tsy mosavin’olona na avy amin’ny rivotra ny tazomoka fa avy amin’ny kaikitry ny moka, araka ny fanentanana sy ny fandresen-dahatra atao. Vao manomboka maizimaizina dia efa tokony handroaka moka amin’ny fandoroana ravina toy ny ravina radriaka, voasary gasy, veromanitra, voatabia. …Ho an’ireo miasa any amin’ ny fitrandrahana vato koa, tokony hatory anaty lay sy han­droaka moka. Zava-dehibe ny fiarovantena amin’ny kaikitry ny moka.

Tatiana A

Partager sur: