“Sehatra iray nomena an’ ireo ben’ny Tanàna hifampizarana traikefa ny AVCOI”. Io ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andrianambony Nala Clara Michel, ny amin’ny fivoriambe isan-taon’ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna mitantana tanàn-dehibe aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina (AVCOI) izay hatao eto Antananarivo, ny 8 sy 9 jolay. Nijoro hatramin’ny taona 1990 ny AVCOI, izay misy mpikambana 16. Hanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo izany. Eo koa ireo teknisianina manampy ny ben’ny Tanàna amin’ny fanatanterahana ny politika mampandroso ny tanàna.
Toy izany ny fametrahana tondrozotra amin’ny politika fampivoarana iraisan’ny mpikambana. Tombontsoan’Antananarivo Renivohitra mivantana, misy an’ireo mpamatsy vola hanatrika ny fivoriana. Azo resen-dahatra amin’ny tetikasam-pampandrosoana noheverin’ny ben’ny Tanàna hatao eto Antananarivo izy ireo. Eo koa ny fampahafantarana ireo tetikasa misy sy ny an-dalam-panatanterahana ary handresen-dahatra an’ireo mpamatsy vola miara-miasa amin’ny AVCOI.
Nanasana ben’ny Tanàna amin’ny tanàn-dehibe 33 eto Madagasikara ny fivoriana, ary tanàn-dehibe 37 manodidina an’Antananarivo Renivohitra. Handinihana sy hiomanana sy ho fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro izany sy ny miralenta ary hamelabelarana koa ny fomba fanatsarana ny fitantanana ny kaominina sy ny famatsiam-bola an’ireo tetikasa ao anatin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana.
R. Nd.




