Dingana iray lehibe… Natolotry ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, teny amin’ny fari-piadidian’ny Fananan-tany, Antananarivo Renivohitra, Anosy, omaly, ny “Distributeur automatique d’information” (Dai).
Vokatry ny fampiasana informatika amin’ny fangatahana taratasy fanamarinana fananan-tany (“certificat de situation juridique”) sy sarintany izany, izay azo ao anatin’ny minitra vitsy. “Nandritra ny 18 volana latsaka no nitondrana an’io tetikasa io manokana ho an’Antananarivo Renivohitra”, hoy izy. Eto Antananarivo no be “titre” sy sarintany indrindra. Tena asa be no nanaovana informatika ny antontan-taratasy na ny sarintany rehetra.
Asabe vao nahatonga an’io vokatra io. Efa hita any amin’ny toerana hafa, na any Sainte-Marie sy Nosy Be izany. Ny teto Antananarivo no tena mafy indrindra. Dingana iray no vita, ary hotohizana amin’ny tanàna hafa izay ezaka izay.
Tsy hisy filaharambe intsony
Mampanantena ny sampandraharahan’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany fa tsy hisy filaharambe sy fiandrasana elabe intsony ny fahazoana taratasy fanamarinana fananan-tany sy sarintany, fa ao anatin’ny minitra vitsy. Io kosa ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany, Razafindratsimba Vonjy.
Ny tetikasa Produir, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, no niantsoroka manontolo ny asa : fotodrafitrasa, fampitaovana, fampidirana ny antontan-kevitra ao anatin’ny ordinatera, ahazoana mamoaka izany ho azy amin’ny mpaninjara izany…
R. Nd.




