Renim-pianakaviana iray 38 taona voaheloka higadra 5 taona, taorian’ny fitsarana azy teo amin’ny lapan’ny Fitsarana ambaratonga ambony, sampana ady heloka bevava tao Toamasina, ny 2 jolay teo. Nifanao fotoana tamin’ny sakaizany io ramatoa io. Niara-nanao ny fiainan’ny mpifankatia izy roa saingy nitondra zaza tsy ampy taona ilay vehivavy. Nahita ny fihetsika rehetra nataon’izy roa ilay zaza. Tsy nijanona tamin’ilay vehivavy rehefa tsy afapo tamin’ny natao ilay lehilahy. Nanaovany ny filany koa, ilay zazavavy vao 10 taona monja. Nomen’ireo mpisakaiza ireo vola 10 000 Ar io zaza io taorian’izay. Norahonany ho vonoina ity farany raha toa ka mitantara amin’ny manodidina ny nanjo azy. Narary anefa ilay zaza. Nivoaka fofona ratsy sady nisy fery izy. Nanadihady ny ray aman-dreniny ka nitantara ny zavatra niainany io zaza io. Niroso tamin’ny fitoriana ny fianakavian’ny lasibatra. Voasambotra ilay ramatoa voalaza ho nahatonga ny fanolanana. Tsy hita ilay lehilahy nanatanteraka ny filan-dratsiny.
Sajo




