Hitohy any Sainte Marie indray ny filankevitry ny minisitra, mitety faritra. Hotanterahina ny 10 jolay izao izany, araka ny fampahafantarana nataon’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Mitohy amin’ny fanokafana ny “Festival des baleines” izany.
Niatrika ny faha-50 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Kaomoro ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, ny 6 jona teo, tao Moroni. Nisolo tena ny filohan’ny Repoblika ny tenany tamin’izany. Tsiahivina fa nanatrika ny fankalazana teto Antananarivo koa ny filohan’ny Antenimiera kaomorianina, ny 26 jona teo.
Namaly bontana ny mpanohitra ny depiote Raholdina Naivo. Nohitsiny fa tena mbola manantena ny hanohizan’ny filoha ny asam-pampandrosoana ny TGV sy ireo fikambanana nanohana sy nifidy azy. “Manohana azy hatramin’ny farany amin’ny fanatanterahana ireo vinany izahay. Resy lahatra fa tsy misy olona afaka misolo azy”, hoy izy.
Hentitra ny depiote Ratsiraka Roland fa lany andro mitady vola amina tetikasa tsy mitondra fampandrosoana ny mpitondra. Nanteriny fa manao serasera lainga sy mamory vahoaka manao fety rehefa tsy mahavaha olana.




