Fifindra-monina any Canada: Hapetraka ny rafitra mazava sy azo antoka

Canada, firenena anisan’ny mahaliana ireo tanora milaravinahitra any ivelany sy ireo mpifindra monina. Hapetraka ny rafitra mazava hiarovana ireo Malagasy any amin’ity firenena ity.

Natao sonia omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny avy ao amin’ny Chambre de commerce et de coopération Canada-Madagascar (Cancham).
Fifanarahana hametra­hana rafitra mazava sy azo antoka hiarovana ireo mpiasa malagasy milaravinahitra sy mifindra monina any an-toe­rana no tanjona. Fanamorana indrindra koa ny fanomezana ny antontan-taratasy ho an’ny mpiasa ho any amin’ity fire­nena ity ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tanora manoloana ny filan’ny fire­nena kanadianina.
Mahaliana ny tanora mala­gasy ny fikaramana any amin’ ity firenena ity noho ny fisian’ ny fahamarinan-toeran’ny asa. Liana amin’ny Malagasy rahateo io firenena io noho ny zotom-po sy fikirizana ananan’ny Ma­lagasy. Efa an’arivony ireo Malagasy lasa any Canada tao anatin’ny 4 taona.
Manamafy ny andraikiny amin’ny fampiofanana ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny fampananan’ asa hahafahan’ireo tanora hi­faninana raha mitaha amin’ny mpiasa avy amin’ny firenen-kafa.
Tanjon’ny fiaraha-miasa koa ny hampiroborobo ny fifindra-monina matihanina ho an’ny Malagasy ka kendrena amin’izany ny hanomezana fahafahana ny tanora hahita asa any an-toerana.
Anisan’ny firenena mandray mpifindra monina be­tsaka i Canada ary tena liana amin’izany ny tanora. Maro ny sehatrasa misokatra any an-toerana, indrindra ny sehatry ny fahasalamana sy ny fikarakarana zokiolona ary ny sehatra teknika avo lenta.
Mitaky olona manana fahaiza-manao sy efa matihanina amin’izany sehatra izany anefa ity firenena ity fa tsy ny rehetra no raisiny. Mila ampy traikefa sy manana diplaoma sahaza, araka izany, ireo ma­niry ny hiasa any Canada.

Tatiana A

Partager sur: