Minisitry ny Fitsarana : “Mipetraka ny fitokisan’ny Firenena mikambana antsika…”

Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, fa niakatra avo indray ny voninahitry ny firenena. Nasongadina ny dingana vita eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Manamarika ny fahatokisana ananan’ny Fire­nena mikambana (ONU) an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny naha voafidy an’i Tom­bohavana Fabien ao amin’ny komitin’ny Firenena mi­kambana momba ny fiarovana ny mpiasa mpifindra monina sy ny fianakaviany. “Fandre­sena lehibe ho an’ny firenena malagasy no azontsika tamin’izany fifidianana izany”, hoy izy tamin’ny fananganan-tsaina teny Faravohitra, omaly.
Nanao tatitra ny dian’ny delegasionina notarihiny tany Genève koa ny minisitra. Nam­­barany ny nahazoan’i Ma­da­gasikara fiarahabana manokana tamin’ireo firenena maro.
Nahomby izany noho ny fahaiza-mitarika ananan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry, sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, araka ny nambarany. Nankasitrahiny koa ny fitondram-panjakana tamin’ny fanamboarana ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambatofinandrahana sy ny fonjan’Ikelivondraka Ihosy. “Nasiana fiarovana manokana izany fa eo koa ny fampitaovana ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny fonjaben’i Volamena Fiana­ran­tsoa”, hoy izy.

Fanampiana ireo fonja

Nirary soa sy niarahaba ny lehiben’ny fampanoavana vao­­vao ao amin’ny Pac Fia­naran­tsoa sy ny any Maha­janga ny minisitra. Ahitana an’i Maro­vola Jean Wasselin sy Ranorine.
Nampitaina tamin’izao fa­nanganan-tsaina izao koa ny santa-bokatra ao amin’ny “Camp Pénal” Andonaka. Na­hazo tohana ara-teknika sy ara-pitaovana ka nahazoana 200 t tamin’ny fambolena manga­hazo.
Nankasitrahana manokana ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiara-miasa rehetra ny minisitra noho ny fikarakarana sy ny fanomezana maro samihafa ho fanampiana eny amin’ ireo fonja manerana ny Nosy.

Synèse R.

Partager sur: