TSELATRA

Raim-pianakaviana iray 45 taona maty voafaokan’ny fiara teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teo Ambatonapoaka, afakomaly alina tamin’ny 7 ora sy 45 minitra. Tsy nahitana taratasy namantarana ny mombamomba azy teny amin’io lehilahy io. Nentina namonjy ny CHRD Arivonimamo ny vatana mangatsiakany.
Lehilahy iray karohin’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy. Nivadi-pitokisana izy ka tsy hita ny nasiany ny lelavola mitetina 40 tapitrisa Ar. Faliarivo Ampitatafika no toerana nahitana azy farany.
Nisitraka baiboly avy amin’ireo solontenan’ny Vondrona miaramila kristianina sy ny Gideona iraisam-pirenena, notarihin’ny Jly Rakotonindriana David Rolland, ireo Polisy avy amin’ireo sampandraharaha samihafa tetsy Anosy, omaly.

Partager sur: