Tsy vitan’ny miaritra hatsiaka fa mbola mizaka ny hirifirim-piainana Ramalagasy. Mahagaga sy mahavariana fa toy ny nantenain-kanirina indray ity no mainka mampivandravandra, ankehitriny. Toa ankatoavina avokoa ity karazana tsindry sy famotehana ankolaka na mivantana ilay vahoaka madinika ity. Tena mizaka ny tsy eran’ny ainy ara-bakiteny tokoa.
Raha ny zava-misy, mihalavaka hatrany ny elanelan’ ny mpanana sy ny sarambaben’ny olona. Tena miezaka mafy mikiky ny kely eo am-pelatanan’ny olona ireo mpandraharaha sy ny manana fahefana hanao izany. Tsy misy kely mba mahazo mamindro izany. Manjaka ny ampihimamba sy ny figiazana ireo heverina ho herijika hisitrahan’ny maro anisa tombony.
Ny zava-doza, tsy vitan’ny ampahantraina ara-materialy fa tena horohoroana ara-panahy ny vahoaka tsimandadiharona. Tena mampivalaketraka ny mijery ilay Malagasy mihevitra ireo zavatra tsy manjary ho fenitra sy ara-dalàna. Ny ratsy sokajiana ho tsara, ny tsara havadika ho hafahafa. Azo lazaina fa mivadika atidoha ilay Malagasy. Tena resin’ny fahalovana sy ny fahapotehana tanteraka.
Tsy misy azo homen-tsiny anefa amin’ny zava-miseho ankehitriny satria, olon-dehibe manam-panahy. Afaka ny misaina sy mamolavola ny lalana tiany hizorana ny tsirairay, kanefa toa manaiky resy tsy miady izany. Mirona any amin’ny faharesena faobe sy ny fandemen-tsaina itambarana ny rehetra. Tsy manam-piniavana ny hiala ambany ziogan’ny mpanao tsindrio fa lavo.
Mampiteny ny moana ny faneken’ny besinimaro ilay fanangolena faobe, mitarika any amin’ny fandemen-
tsaina iraisana. Tratry ny be manaiky, toa tsy afaka mamakafaka intsony mihitsy. Tena tsy afa-mikofoka eo ambany vahohon’ny mpanjanaka ara-tsaina sy ny mpambotry ny harem-panahy.
Tsy hita intsony ny voambolana ampiasaina hilazana ny fanabadoana faobe mahazo ilay mpiray tanindrazana!
r.r




