Tanora mahavita azy!

 

Anisan’ny zava-dehibe amin’izao fotoana izao ny fanombohan’ny fikaonandoham-pirenena. Hisantatra izany rahateo ny tanora, anio, eo ambany fiahian’ny FFKM sy ny fitondram-panjakana. Heverina fa rariny sy hitsiny tokoa ny tanora no mamaky lay izany. Izy ireo rahateo no tompon’antoka voalohany amin’ny zava-misy ankehitriny. Tsy afa-miala fa rangory fototry ny afo izy ireo amin’ity fikatsoahan-draharaha ity.
Fotoana hanoneran’izy ireo ny lesoka ny fivoriambe hatao eny Ivato. Andrasana indray izay hapoakany aloha, satria ny tolona izay natao ity nivaralila tanteraka. Nojapiana sy notaingenan’ny goaikantitra sy ny dinaozaoro, noho ny tsy fahamatorana. Tsy ampy ilay hafanam-po sy ny finiavana tany am-boalohany. Maty momoka ny zava-drehetra rehefa tsy nisy ny drafitra maty paika. Angamba tsy hamerina ny lesoka intsony fa hanitsy ny dia.
Ny hamehezana azy, mila sahy mijoro sy manontsanontsana ny tanora anatin’ny hateloana. Tsy ho tsangan’olona ho mpanangan-tanana sy tsy mpisehatra ivelany fotsiny ka hanao sonia be fahatany ny fehin-kevitra mivoaka. Efa voa indray mandeha tamin’ny herintaona ka mila mahay maka lesona. Sady amin’ny fomba mihaja no itarafana rahateo ny fahaiza-manao ny fihaonana ka ho hita eo izay tena “mafoaka”. Andrasana amin’izay ilay hoe mahavita azy.
Ampy ny fidradradradrana fa omeo andraikitra ny tanora. Efa asa avy hatrany no andrasana izao fa tsy sehoseho ivelany. Raha mahasaky dia mamaky bantsilana sy mametraka ny tena filana fototra. Miala amin’ilay “eny tompoko” rehefa nomen-tseza. Milaza ny maharary ka mitaky ny tena andrandrain’ny mpiray tanindrazana. I Madagasikara rahateo lazaina fa an’ny tanora, izay miantoka ny hoaviny. Andrasana, araka izany, izay hapoakan-dry zareo eny Ivato eny.

r.r

Partager sur: