22% ny tahan’ny fampiasana ny internet eto Madagasikara, araka ny voalazan’ny Banky iraisam-pirenena ny taona 2022. Tsy mitovy ny fisitrahana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana azo hikirakirana izany ho an’ny tanàn-dehibe sy any ambanivohitra.
«Mitondra inona ho an’ny oniversite ny tontolo nomerika ? ». Io ny lohahevitra nitondrana ny adihevitra nisokatra ho an’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, omaly, teny Ankatso. Mpisehatra efatra samy manana ny andraikiny amin’ny nomerika no nitondra ny heviny momba izany. Afaka nitondra ny hetahetany sy ny fahitany ny zava-misy eny amin’ny fampianarana ambony ny mpianatra manoloana ny firosoana amin’ny « digitalisation ». Nentina hanatsarana sy hanafainganana ny fizarana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra no nampidirana ny « digitalisation » ho an’ny oniversite teto amintsika. Tsapa fa misy lesoka hatrany izany hatramin’izao ka betsaka ny fitarainana. Ankoatra izay, miezaka mamolavola mpianatra afaka miatrika avy hatrany ny asa ny oniversiten’Antananarivo. Tafiditra ao anatin’ izany ny fifehezana ny nomerika. Ilaina ny fametrahana politika iray sy drafitrasa hitondrana ny « digitalisation » eto Madagasikara. Anisan’ny tanjon’ny filohan’ny oniversiten’ Antananarivo izany ka nametraka vaomiera manokana ny fiadidiana ny oniversite hikarakara atrikasa hamondronana ny zavatra tsara hotohizana amin’ireo asa efa tontosa. Mila volena eny anivon’ny sehatra rehetra indrindra ho an’ny tontolon’ny fampianarana ambony koa ny kolontsaina nomerika, hoy ny mpikambana amin’ny firosoana amin’ny digitalisation eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo, Andrianasolo Miarintsoa.
Tsy tokony hianona fotsiny amin’ny fizarana ny vatsim-pianarana ny « digitalisation » fa miainga manomboka amin’ny fisoratana anarana mihitsy izay hampangarahara ny fitantanana ny mpianatra isaky ny fakiolte, hoy ny mpianatra iray ao amin’ny fakiolten’ny siansa. Misy dingana ny firosoana amin’ny « digitalisation » ka tokony atao tsikelikely ary hahitsy isaky ny dingana ny lesoka, hoy ny tomponandraikitry ny Orange digital center, Rahajarizafy Rija.
Vonjy




