INDRAY MIJERY

Hetsika « Fijery hafa » ao Analanjirofo. Nisi­traka fampiofanana maimaimpoana tamin’ny sehatra isan-karazany ireo tanora miisa 1170 ho fampidirana azy ireo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana. Voaporofo, araka izany, fa miroso amin’ny fampandrosoana iombonana sy lovainjafy i Analanjirofo miaraka amin’ny fanohanan’ny minisitera.

Tohana ara-pilana fototra ao Arivonimamo. Nomena tantsoroka miendrika fehezan-karona misy siramamy, fotsim-bary sy ronono mandry ary savony ireo zokiolona miisa 110 avy ao amin’ny Fizoa Arivonimamo. Manomboka ihany koa ny fiomanana amin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zokiolona.

Partager sur: