Manana faniriana ny hitokana fokontany mihitsy ireo mponina avy any Androy mila ravinahitra sy mivelona any Maevatanana, kaominina Andriba, fokontany Maroarano. Maro ny tsindrihazolena mianjady aminay ataon’ny sefo fokontany aty an-toerana ka tsara raha mitokana fokotany izahay hisian’ny firindran’ny fiarahamonina, hoy ireo mponina. Manamafy ny fangatahan’izy ireo ny filoha-paritry ny Fitea Betsiboka na ny fikambanan’ny terak’Antandroy.
Mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana ireo mponina mangataka fokontany vaovao ireo. Efa tonga eny amin’ny prefektora io fangatahana io raha ny fanazavana.
Taorian’izany anefa, nanomboka noenjehina ireo mponina amin’ny foko antandroy ireo. Tonga hatramin’ny fanaovana ankaso sy tondro molotra ary endrikendrika. Nitarika hatramin’ny fahafatesan’olona mihitsy ka anisan’ny lasibatra ny zanak’ireo izay nohampangaina fa dahalo rehefa niharan’ny antsojain’ny sefo fokontany ao an-toerana.
Mitaky ny mangarahara mahakasika ny nahafaty ny zanany ireo fokonolona antandroy ireo amin’izao fotoana. Mangataka ny mpitondra fanjakana hijery akaiky ny raharaha tsy hisian’ny fanilikilihana sy fanavakavahana manoloana ireo samy Malagasy mitady sy milaravinahitra.
Efa nandeha ny fitoriana ireo mponina momba ilay sefo fokontany ka manantena ny hahita ny marina.
Tatiana A




