Distrikan’Ikongo: Vaky ny ady amin’ny tazomoka

Nitarika fivoriana handrindrana bebe kokoa ny drafitrasa fanatanterahana ifotony ny hanampiana ny vahoakan’Ikongo ny Praiminisitra, Ntsay Christian, omaly, teny amin’ny biraon’ny BNGRC. Efa nialohavan’ny fivoriana matetika niarahana tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izany. Anisan’izany ny toromarika hentitra sy mazava momba ny fanampiana marolafy tsy maintsy entina sy hatao ho an’ny mponina ao amin’ny distrikan’Ikongo, mazava ny nambaran’ny lehiben’ny governemanta. “Hamafisina ny ady atao amin’ny tazomoka sy ny asa fanohanana ara-tsakafo ho an’ny mponina any an-toerana”, hoy izy. Niatrika izany ireo mpikambana vitsivitsy ao amin’ny governemanta, sy tomponandraikitra ambony samihafa avy amin’ireo rantsamangaika sy sehatra sivily sy miaramila. Samy manana andraikitra mivantana amin’ity paikady ity ireo nandray anjara tamin’izao fivoriana izao ary mikendry ny fampanjariana ny sosialim-bahoaka.

Synèse R.

Partager sur: