Manatanteraka iraka fanaraha-maso ireo tetikasa eto Madagasikara ireo delegasionin’ny Fiaraha-miasa Frantsay (AFD).
Nivoitra tamin’izany ny ezaka vita sy ny hanohizana izany, manomboka izao.
Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina ireto iraka ireto, omaly tetsy Anosy. Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny famaranana ny fandaharanasa Padeve, dingana voalohany ho amin’ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe sy ny tetikasa Lalankely, andiany fahatelo, nanampiana sy nanohanana ireo vahoaka eny ifotony. Hirosoana avy hatrany koa anefa manomboka izao ary nampahafantarina tamin’izany ny fidirana amin’ny fandaharanasa Padeve, andiany faharoa sy ny tetikasa, Lalankely, andiany fahefatra.
Voatsiahy fa nanampy betsaka ho amin’ny fampandrosoana sy ny fotodrafitrasa ireo fandaharanasa roa, iarahana amin’ny AFD ireo. Miisa 900 ireo fotodrafitrasa manakaiky vahoaka vita amin’ireo tanàn-dehibe na koa kaominina manerana ny Nosy. Eo ny fanamboarana tohatra nahafahan’ny mponina nivezivezy, ny lakandrano, ny trano famakiam-boky, ny tsena, kianja ho an’ny fanatanjahantena, zaridaina, lalana sy lalankely, ny toeram-pidiovana sy fanasan-damba…Nambaran’ny minisitra tamin’izany fa nanova endrika ny tanàna ireny fotodrafitrasa ireny ary nanampy betsaka koa ireo mponina eny amin’ny faritra iva.
Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitantana
Teo koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitantana eny ifotony mba hahafahana mikojakoja sy mitantanana mahomby ireny fotodrafitrasa ireny. Manampy izany ny fanajariana ny tanàn-dehibe, tahaka an’Antananarivo Renivohitra, araka ny nambarany hatrany. Nohafainganina izany, indrindra ny amin’ireo kaominina manodidina. Tafiditra ao anatin’izany ny drafi-panajariana, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa anisan’ireo delegasionin’ny AFD ireo misahana ny tetikasa, Marine Marmorat, sy Sylvain Joachim ary Anastasia Muratet. Ny tomponandraikitra lefitra misahana ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe sy ny trano fonenana ary koa ny fanajariana ny tany, eo anivon’ny AFD, Romain Andre.
Synèse R.




