INDRAY MIJERY

 Fanokafana ny fetin’ny trozona 2025. Hoton­tosaina mandritra ny fidinana ifotony ny Filohan’ny repobika, Rajoelina Andry, ao amin’ny Nosy Boraha, ny zoma 11 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana MTA miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
 ampiofanana maimaimpoana ao Menabe.  Nisitraka fiofanana ireo vahoaka ho fanohanana ny sehatry ny fambolena sy fiompiana. Natao ihany koa hanomezana fahaiza-manao azo ampiharina ho an’ny tanora, ary hanamafisana ny lanjan’ireo taranja ireo amin’ny fampandrosoana maharitra ao amin’ny faritra Menabe.
 Ady amin’ny tazomoka ao Ikongo. Nisy ny fanamafisana ny hetsika fidinana ifotony amin’ny alalan’ny clinique mobile araka ny toromarika avy amin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof Randriama­nantany Zely Arivelo. Manampy amin’ny fitsaboana sy fikarakarana ara-pahasalamana ireo mpitsabo manam-pahaizana manokana maro.
Partager sur: