Krizy amin’ny fiterahana: Takina ny fahalalahana ara-pananahana

Maro amin’ireo tanora no misafidy ny hanan-janaka. Vitsy kokoa saingy manery ny vehivavy hampifanaraka ny safidiny amin’ny fananahana amin’ny tanjona nasionaly momba ny fiterahana ny governemanta. Nisy ny tatitra nataon’ny UNFPA, izay notanterahina tetsy amin’ny QG an’ny Tanora Ankorondrano, afakomaly. Nambaran’ izy ireo nadritra izany fa manodidina ny 20% amin’ny olon-dehibe ao anatin’ny taom-pananahana no mino fa tsy ho afaka hanana ny isan’ny zaza tiany. Iray amin’ny telo no efa niaina vohoka tsy irina. Tokony ho iray ao anatin’ny efatra no tsy afaka manome fahafaham-po ny faniriany hanana zaza. Milaza ny 39% amin’ireo olona natao fanadihadiana fa mety hanakana ny fahafahan’izy ireo hahatratra ny haben’ny fianakaviany ny fahaterena misy. Manazava kosa ny iray amin’ny dimy fa ny tahotra ny hoavy amin’ny fiovan’ny toetr’andro, ny fahasimban’ny tontolo iainana, ny ady, ny areti-mifindra no mahatonga azy ireo hanan-janaka vitsy kokoa noho izay iriny. Na izany aza, maro no maniry hanan-janaka sy maniry mihoatra noho izay azony ananana, eny fa na dia any amin’ireo firenena manana taham-pahavokarana ambany indrindra aza. Midika izany fa tsy ny loza ateraky ny fahapotehan’ny mponina no atrehantsika, fa ny krizy amin’ny fahalalahan’ny fananahana. « Ny fanesorana ireo sakana amin’ny fahalalahana hisafidy amin’ny alalan’ny famoronana rafitra manaja ny hetahetan’ny tsirairay no vahaolana amin’ny krizin’ny fahalalahan’ny fananahana », hoy ny mpisolo tena ny UNFPA, Josiane Yaguibou.

Ninah (mpianatr’asa)

Partager sur: