Nambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra, ny 3 jolay teo, fa tsy azo amidy eny an-tsena ny menaka sakafo, mitondra ny marika “Roots”. Noraisin’ny fitaleavan’ny Indostria sy ny varotra any Antsirabe izany fanapahan-kevitra izany taorian’ny fisafoana nataon’izy ireo ny 23 jona teo, tamin’ny mpamongady iray. Hatramin’ izao anefa, tsy mbola nitondra fanazavana ilay orinasa, “Iris international goods trading LLC”, mpanondrana izany.
Nidina ifotony tao Antsirabe ny inspekteran’ny minisitera nijery sy nanamarina ireo tavoahangin’ilay menaka. Ahitana soratra arabo izany ary tsy ahafantarana ny daty mametra ny fe-potoana ahafahana mivarotra azy, tahaka ny entana rehetra ka nametrahana ahiahy, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Efa notiliana teo anivon’ny foibe manara-maso ny vokatra sakafo sy ny kalitao izany, araka ny fanambarana hatrany. Nilatsaka ny didy taorian’izany fa tsy mifanaraka amin’ny fenitra ity menaka ity ary ahina hampidi-doza ho an’ny mpanjifa ny fihinanana azy. Nambaran’ny loharanom-baovao fa tsy mazava ny nahatafidiran’io menaka io sy ilay mpandraharaha misahana ity orinasa, “Iris international goods trading LLC” ity.
Etsy andaniny, tsy mbola nanao fanambarana ampahibemaso hatramin’izao izy ireo ny amin’ny fiavian’io vokatra menaka sakafo io na koa ny fepetra noraisiny taorian’izao tsy fahazoana mivarotra azy eny amin’ny tsena izao. Manana zo hitaky ny mangaraharaha ny amin’izany ny mpanjifa, manoloana izao fihanaky ny fahapoizinana ara-tsakafo izao.
Tsiahivina fa efa nopotehina sy norodarana izany menaka “Roots”, tao Antsirabe izany.
Synèse




