Raim-pianakaviana 52 taona hita faty teo ambodihazo somary misy rano miandrona noho ny orabe nikija tao Vohindrotra, fokontany Ivoloina, kaominina ambanivohitra Antetezambaro, ny alahady 6 jolay teo. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana io lehilahy io, raha ny fanadihadiana nataon’ny zandary sy ny mpitsabo teny an-toerana. Nahitana ratra toy ny diam-pamaky intelo teo amin’ny lohany sy tendany tamin’ity farany. Hatreto mbola tsy fantatra izay ahina ho mety nahavanon-doza. Hiatomboka tsy ho ela ny fanadihadiana aorian’ny fandevenana, izay atao any Antoby Vavatenina, hoy ny fianakaviany.
Raha ny angom-baovao, misy anabavin’ity niharaboina ity manana dobon-trondro ao Vohindrotra. Nahatsiaro ho tsy afapo amin’ny vokatra sy tsy mahita tombony amin’ny fitaizana trondro ny mpampiasa tompony dobo na eo ny halehiben’ny dobo sy ny fandaniana amin’ny karazan-tsakafon’ ireo trondro hompiana. Vokany, niantso an’ilay anadahiny ilay ramatoa, mpampiasa izay tompon’ny dobon-trondro mba hanampy ny mpiasa efa izay efa am-perin’asa amin’ny fikirakirana. Hita faty anefa io anadahiny io andro vitsy monja taorian’izay. Nandritra ny famonjena fodiana avy tamin’ io toerana io no nisy nanara-dia izy ka izao nisy namira famaky izao.
Sajo




