Nanaporofo ny fitondram-panjakana, omaly, fa miara-mientana ny hery velona rehetra amin’ny fiatrehana ny trangan’aretina tazomoka mitongatra any amin’ny distrikan’ Ikongo.
Efa miantsehatra avokoa ny tomponadraikitra rehetra, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny BNGRC, ny mpitandro filaminana manampy ireo mpiray tanindrazana any an-toerana, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Mitohy ny fizaham-pahasalamana, ny fizarana fanafody, ny fizarana lay misy odimoka, ny famendrahana ranom-panafody.
Ny BNGRC no mandrindra ny asa rehetra. Fandinihana ny resaka teknika rehetra araka ny toromarika nomen’ny filoham-pirenena sy ny filohan’ ny governemanta no natao omaly mba hahomby sy haingana ny asa atao
Itondrana vahaolana koa ny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo sy tsy fahampian-tsakafo. Mandray andraikitra ny ONN, CPGU sy ny Fid. Napetraka ny foibe fandrindrana ny asa maika amin’ny aretina tazomoka any Ikongo (Corupi).
Hisy tatitra isan’andro ilazana ny fivoaran’ny zava-misy ao amin’ny fahitalavi-pirenena. Hivoaka ofisialy isan’andro ny tatitray. Vaovao tena izy sy marina ary tsy hisy hafenina ny tranga miseho.
Hiiratra amin’ny faritra Anôsy, Fitovavy, Atsimo Atsinanana, Vatovavy ny asan’ireo ekipa amin’ny ady amin’ny tazomoka. Efa azo refesina ny ezaka vita, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, Andriakaja Elack Olivier.
Tatiana A




