Nisy ny famelabelarana momba ny fankalazana hotanterahina ny 15 jolay ho fanamafisana ny fahaleovantenan’ny tanora ara-toekarena manoloana ny fandrosoan’ny faharanitan-tsaina artifisialy. Nandray anjara tamin’ny hetsika ny tale jeneralin’ny fampianarana teknika, Razafindrarija Felana Nambinina.
Nivoaka omaly ny voka-panadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Avaradrano. Nahatratra 59,50% ny taha-pahafahana. Nihena ny taha-pahafahana raha oharina tamin’ny taon-dasa izay nahatratra 74%. Miandry fatratra ny hivoahan’ny voka-panadinana ny eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra.
Nofanina mahakasika ny fitantanana ara-bola sy ny fampitaovana ireo mpiantsehatra eo anivon’ny foibem-pitondrana, izay misahana ny fampiofanana ara-pedagojia (DGINFP tao Antsirabe). Ireo lehiben’ny CRFRP 28 manerana an’i Madagasikara miaraka amin’ireo « régisseur d’avance » no niatrika izany, tamin’ity herinandro ity.




