MFFT sy ny tetikasa Mionjo : Hatsangana ny tohodrano mahazaka toetr’andro

Notanterahana tetsy Ano­sy, omaly, ny atrikasa fivoriana momba ny fananganana tohodranon-tany “Barrages de sable”. Fiaraha-miasan’ny mi­nisi­teran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) amin’ny alalan’ny FDL, ny minisiteran’ny Rano, Unicef, African Sand Dam Foundation (ASDF) ary ny tetikasa Mionjo izany. Eo koa ireo manampahaizana sy ny teknisianina vahiny sy malagasy. Nifanto-han’ny atrikasa ny famelabelarana sy fanazavana ny asa atao. Manampy izany ny fampitana fahaiza-manao ary ny traikefa avy amin’ny ASDF ho an’i Ma­dagasikara mandritra ny 5 taona. Narahan’ny fifampizarana amin’ny eo anivon’ny Unicef. “Manome vahaolana maharitra sy mahazaka ny iovaovan’ny toetr’andro amin’ny fanomezana rano ho an’ireo faritra any Atsimon’i ­ Ma­­­da­gasikara izany fotodrafitrasa izany ary hanamora ny fite­hirizana izany”, hoy ireo nandahan-teny. Ani­san’ny niatrika izany ny minisitra, Andriantsitohaina Naina.
Etsy andaniny, hotanterahina any Toliary ny 17 sy ny 18 jolay izao ny fikaonandoha ara-toekarena ho an’ny faritra Atsimo Andrefana “Fer 2025”. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ny eo anivon’ny MFFT. Fotoana iarahan’ireo mpisehatra eo anivon’ny An­drimpanjakana sy sehatra tsy miankina ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika miara-misalahy izany ho fanamafisana ny fampandrosoana ara-toekarena ao amin’iny faritra iny. Sehatra fanararaotra hisintonana mpampiasa vola sy hanomezan-danja ny harena sy ny vinan’ny faritra izany ary hanamafisana ny fiaraha-mientana amin’ny fampandrosoana lovain-jafy.

Synèse R.

Partager sur: