Nampahafantatra ny hetsika hanamarihana ny faha-22 taona nisian’ny fifanarahan’i Maputo ho an’ny firenena afrikanina ny tomponandraikitra misahana izany eto Madagasikara, omaly, tetsy Besarety.
Tombony ho an’i Madagasikara ity fifanarahana ity satria lalàna velona sy mihatra noho izy mirakitra andininy 32 miresaka ny zon’ny vehivavy. Eo koa ny fijerena ny antsipirian’ny zon’ny vehivavy malagasy tsirairay avy.
“Manentana ny tsirairay hiaraka hanohy ny adisisika ho an’ny fankatoavana izany ary mangataka koa ny fitondram-panjakana hijery akaiky sy hanatanteraka ny teny nomena », hoy Andrianina Ratsimba.
Nanao sonia ny Protocole de Maputo i Madagasikara ny taona 2003 saingy tsy mbola nisy ny fankatoavana izay mameno ireo lalàna mikasika ny zon’ny vehivavy. Ny Protocole de Maputo izay fifanarahana afrikanina momba ny zon’ny vehivavy. Mikendry ny hanamafisana ny zon’ny vehivavy indrindra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fanafoanana ny fanavakavahana ary ny fandraisana anjara ara-politika. Fanamby lehibe ho an’i Madagasikara ny fankatoavana izany.
Ninah (mpianatr’asa)




