Hisitraka fotodrafitrasa maromaro ny ao Toamasina amin’ny fandaharanasa Padeve II. Anisan’izany ny fanamboarana ny Bazary kely, ny eo amin’ny lakandrano avaratra sy ny lakandranon’i Tanambao. Eo koa ireo lalana maromaro eo an-tampon-tanana sy ny “Boulevard de la marine”. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra avokoa ireo.
Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona Frantsay, Gerard Larcher ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard, omaly, tao Paris. Nivoitra tamin’izany fa misy ny mpanely tsaho any ivelany any. “Voafitak’ireo mpanome vaovao diso hikatsahana tombontsoa manokana ireo parlementera eorpeanina”, hoy ny Jly Ravalomanana.
Miandry ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny Ceni momba ny fifidianana loholona. Efa nanolotra tetiandro ity rafitra mikarakara fifidianana ity ny amin’ny tokony hanaovana izany ny novambra izao. Andrasana koa ny filankevim-panjakana amin’ny didy famerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ny kaominina ampolony.
Nahitsy ireo eo anivon’ny “Solidarite syndical – SSM”, fa tena tsy ampy ivelomana ny karama farany ambany. Ny taona 2018 : karama iray volana mahazo vary 100 kg. Taona 2025: karama farany ambany iray volana, vary 65 kg. “Tsy mifanaraka amin’ny sondro-bidim-piainana ny karama farany ambany : 268 000 Ar ho an’ny sehatra tsy miankina”, hoy izy ireo.




