Miasa andro aman’alina ny ekipan’ny sampandraharaha Hématologie ao amin’ny HJRA, amin’ny fanaovana fitiliana ra hanampy ireo dokotera amin’ny fitsaboana sy fahasitranan’ny marary. Miandraikitra manokana ireo mpijininika ra lava sy ireo manana aretin’ny faingontsela (drépanocytose) ihany koa ny sampandraharaha.
Nampahafatatra ireo karazana tolotra ara-pahasalamana ao amin’ny sampandraharahan’ny Hématologie ny Dr Stéphania Niry Manantsoa, mitantana izany sampandraharaha izany ao amin’ny HJRA.
Misokatra ho an’ny rehetra ny toerana ary mandray olona andro aman’alina indrindra ho an’ireo fitiliana maika.
Misy ny fanaovana fitiliana ra mahazatra ary eo ny fitiliana maika na noho ny hamehana. Ao amin’ny sampandraharahan’ ny Hématologie no fijerena ny tahan’ny sela anaty ra, fijerena ny fahafahan’ny vatan’ny olombelona manavaingana ny ra na tsia.
Misy koa ny fitiliana manokana toy ny fitiliana “drépanocytose”, sy ny fitiliana ireo mijininika ra lava (hémophile). Ankoatra ireo, ny fitiliana ny tsokan’ny taolana hahafahana mahafantatra ny fomba hamokaran’ny vatana ny ra na ny sela anatin’ ny ra. Ahitana ny homamiadan’ny ra na tsia ny fanaovana izany.
100 isan’andro ny fitiliana raisina ao amin’ity sampandraharaha ity. Misy ny fandraisana an-tanana manokana ireo mararin’ny faingontsela na “drépanocytose”. Raisina manomboka ny alatsinainy hatramin’ny zoma izy ireo. Raha misy fitsaboana na fanampiana ra tokony hatao aminy dia raisina amin’ny fotoana rehetra.
Misy koa ny foibe mandray an-tanana ireo mpijininika ra lava ao amin’ny CPH izay mandrindra ny fandraisana an-tanana ireo manana izany toe-tena izany manerana ny Nosy. Mandray ny tohana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ihany koa ary mandrindra ny fandefasana ireo fanafody manerana ny Nosy.
Rehefa vita ny fitiliana ireo mpijininika ra lava dia ao an-toerana ihany no hanaraha-maso azy ireo. Tonga isaky ny enim-bolana na isan-taona arakaraka ny aretina mahazo azy, araka ny fanazavana hatrany.
Sampam-pikarohana ihany koa ny toerana
Ankoatra ny fitsaboana, sampam-pikarohana koa ny ao amin’ity sampandraharahan’ny Hématologie ity. Miara-miasa amin’ny sampandraharaha maro fa indrindra ireo mpianatra hivoaka ho mpitsabo sy ireo niofana amin’ny fitiliana any amin’ny laboratoara.
Toeram-pampiofanana koa ny sampandraharaha. Satria, mandray ny mpiofana ho mpitsabo amin’ny taona faharoa sy fahatelo ary ny taona famaranana. Eo koa ireo mpianatra mpanao fitiliana ao amin’ny taona faharoa sy taona fahatelo. Miara-miasa amin’ny Anjerimanontolo amin’ny fakiolten’ny siansa manao fikarohana ny sampana Hématologie.
Tanjon’ny sampandraharaha ny hamoaka valina fitiliana mahafatra-po hahafahana mitsabo ara-dalàna ny marary rehetra. Mandray an-tanana sy fanampiana ny mararin’ny drépanocytose sy ny mpijininika ra lava mba hiainan’izy ireo toy ny olon-drehetra.
Raha misy trangan’aretina mapiahiahy dia manatona mpitsabo. Ny mpitsabo no manome taratasy hahafahana manao fitiliana eny amin’ny HJRA, araka ny karazana fitiliana takina, hoy ny fanentananan’ny dokotera. Misy mpitsabo manokana momba ny ra eny ary mandray isaky ny alatsinainy hatramin’ny alakamisy.




