Homarihina ny 15 sy 16 jolay izao ny Andro maneran-tany ho an’ny fahaiza-manaon’ny tanora (JMCJ). Anisan’ny hankalaza izany i Madagasikara amin’izao faha-10 taona nanamarihana izany. Lohahevitra mandritra izany ny hoe : “Fanomezana hery ny tanora amin’ny alalan’ny “Saina voatran’olombelona – Intelligence artificielle, IA” sy ny fahaiza-manao niomerika”. Natao hampiroboroboana ara-tsaina sy niomerika ho an’ny tanora izany, araka ny nambaran’ireo mpikarakara tetsy 67 Ha, afakomaly. Hotanterahana etsy amin’ny Estie Antanimena ny hetsika ary hampahafantarana ireo tanora ny IA sy hampiharana avy hatrany izany ho an’ireo tanora tonga eny an-toerana ny
15 jolay izao. Manolotra sehatra fianarana IA maimaimpoana, fanadihadiana maneran-tany sy ny fifaninanana mametraka ny tanora ho fototra amin’ny famolavolana ny asa rahampitso koa ny eo anivon’ny Unesco amin’izany. “Tanjona ny hanomezana fahefana sy fahaleovantena ny tanora amin’ny alalan’ny fahaiza-manao mifanaraka amin’ny fiovana ara-teknolojia. Eo ny fanamby, saingy miomana hanatratra izany i Madagasikara”, hoy hatrany ireo mpikarakara.
Synèse R.




