HJRA: Maro ny karazana fitiliana azo hatao

Maro ny sampam-pitiliana ao amin’ny hopitaly HJRA. Anisan’izany ny laboratoire d’hématologie, ny laboratoire d’immunologie, laboratoire de bacteriologie…
Manampy betsaka ny dokotera mitsabo ny fanaovana fitiliana hahafantarana ny tena fototr’aretina na ny singa ilaina na singa tsy ampy anaty vatana. Ankoatra ireo, ny fitiliana hatao ao amin’ny sampandraharaha hématologie anaovana ny fitiliana ra. Misy koa ny sampandraharaha hafa manao fitiliana isan-karazany.
Anisan’ny izany ny fitiliana kalsioma, magnesium… Fije­rena ny tahan’ny siramamy ao anaty vatana, ny tahan’ny siramamy ao anaty amany hijerena ny olona sao misy diabeta na hanaraha-maso ny fivoaran’ny tahan’ny siramamy amin’ireo olona efa tena diabetika mihitsy.
Misy koa ny fanaovana ny fitiliana ireo singa hijery ny fa­hasalaman’ny aty. Ao ny hierana ny fahasalaman’ny voa. Ankoatra ireo, misy ireo fitiliana ny hormone ao anatin’ny olona. Anisan’izany ny hormonina hijerena ny vehivavy iray raha afaka mitondra vohoka… Misy koa ny fitiliana izay angatahin’ny mpitsabon’ny homamiadana manokana. Ny fijerena ny karazana “hemoglobine”…. Azo hatao koa ny fitiliana ny tsiranoka amin’ny vatana.
Efa ho avy koa ny fitaovana hahafahana manao fitiliana ny tahan’ny fanafody any anatin’ny ra. Tanjona hatrany ny hamoahana ny voka-pitiliana marina hanampy betsaka amin’ ny fitsaboana sy hanasitra­nana ny aretina misy.

Nangonin’i Tatiana A

Partager sur: