Goavana sy miezinezina ny fotodrafitrasan’ny MSA eny Andakana ary mahasahana karazam-piofanana maro. Manana ny fenitra iraisam-pirenena ny toerana ka ankatoavina maneran-tany ny mari-pankasitrahana azo aorian’ny fiofanana ao aminy.
Notokanana omaly, teny Andakana Ambohidratrimo, ny Madagascar Security Academy (MSA) na ny foiben-toeram-piofanana manana tolotra marolafy mahakasika ny fiarovana sy ny fandriampahalemana ary ny fitantanana izay tafiditra ao anatin’ ny vondron’orinasa Sodiat.
Misokatra amin’ireo orinasa na olon-tsotra maniry hampiofana ireo mpiambina ao aminy hanana traikefa sy fahaiza-manao azo antoka amin’ izany asa izany ny toerana. Vory fitaovana sy manana mpampiofana efa tena za-draharaha sy mahafehy ny sehatry ny fiarovana ny MSA.
Manana ny tolotra fanofanana ireo miandraikitra ny fandriampahaleman’ny seranam-piaramanidina ihany koa ity toerana ity. Fiofanana feno manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ary mahafehy tanteraka ny asa fiarovana izany seranam-piaramanidina izany ireo no azon’ ireo mahavita fiofanana ao.
Etsy andaniny, ny tolotra fiofanana amin’ny fiambenana ireo fiara fitaterana entana na zavatra sarobidy na mitondra volabe izay mila arovana fatratra. Ankoatra ny fampianarana ny fiarovan-tena, raha sanatria misy fanafihana dia mianatra momba ny vonjy aina sy ny ady amin’ny afo ihany koa ireo mpiofana. Mianatra mitifitra sy mampiasa ireo fitaovam-piadiana. Tafiditra ao anatin’ny tolotra ny fitondrana ny fiara tsy laitran’ny bala. Ankoatra izany, ny fampianarana mahakasika ny fitondran-tena manoloana izany asa izany.
Miara-miasa amin’ny Havilla School mahakasika ny fanofanana ny fitantanana trano fandraisam-bahiny mihaja sy avo lenta ihany koa ny MSA eny Andakana. Tanjona ny hamoaka mpiofana afaka misehatra avy hatrany amin’ny asa ary mahavita manome tolotra tena tsara sy mendrika izany toerana fandraisam-bahiny avo lenta izany.
Hita eny an-toerana ihany koa ny toerana fanaovana fanatanjahantena raitra sy mamaly ny filan’ireo mpankafy izany.
Tatiana A




