Tonga mivantana ao amin’ ny distrika Ikongo ireo solontenan’ny governemanta. Ahitana minisitra efatra izany, toy ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie, ny minisitry ny Atitany, sns. Mifarimbona amin’ny fanohanana ireo mponina any an-toerana manoloana ny fandripahan’ny valan’ aretina tazomoka izy ireo.
Manatanteraka avy hatrany ny fanaraha-maso sy manamafy ireo toromarika ary miara-mandray an-tanana ny maharary ny mponina ao an-toerana izy ireo. Ho fanajana ny fomban-tany dia natao ny fifampiresahana tamin’ireo ray aman-dreny ara-drazana Anakandria sy Mpanjaka tao amin’ ny Lapa Vonikazo.
Notsidihana avy hatrany ny toeram-pitsaboana manakaiky vahoaka. Nizarana sakafo mafana sy ara-pahasalamana ireo reny sy ankizy miisa 403 ao amin’ny fokontany Vonikazo sy Ambatofotsy. Nomena fehezan-karona misy sakafo tohan’aina kosa ireo mbola ao anaty fitsaboana sy marefo ara-pahasalamana miisa 82.
Nojerana ihany koa ny toerana fandrindrana ireo asa iarahan’ny mpiara-miombon’ antoka rehetra. Loham-pianakaviana miisa 100 no nandray anjara tamin’ny asa iombonana sady ahazoana tohana ara-tsosialy teo amin’ireo toerana ireo.
Hitohy mandritra ny fotoana maharitra ny fandraisana an-tanana ireo mponina misedra voina ao Ikongo ary eo akaikin’ izy ireo ny fanjakana amin’ny alalan’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta tonga any.
Tatiana A




