Notapahina ny herinaratra amin’ireo tariby mitondra herinaratra mankany amina tokantrano maromaro ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, izay nisitraka ny tetikasa « jiro mora », tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nohamafisin’ireo mpiasan’ny Jirama tonga teny an-toerana fa hoe tsy manara-dalàna ity tetikasa ity, araka ny fanazavan’ireo mponina ka antony nanapahana ny famatsiana herinaratra nozaraina tamin’ireo mpisitraka izany. Nilaza ireo mponina fa ezaka nataon’izy ireo no nahafahana nampiditra ny jiro. Nambaran’ ireo mponina fa nahazo alalana avy amin’ny ben’ny Tanànan’Ambohimanambola ny fametrahana ity tetikasan’ny Filoha Rajoelina Andry ity. Saingy, nindaosin’ny fahafatesana izy ka nilaza ho mahatsiaro tena kamboty ireo mponina. Miantso ny Filoham-pirenena ireo mponina mba hijery akaiky momba ity raharaha tetikasa « jiro mora » eny amin’ny kaominina Ambohinamambola ity. « Maizina am-pototry ny mazava izahay fa ety aminay no misy foiben’ny Jirama mizara herinaratra », hoy ny renim-pianakaviana iray. Efa nanamafy ny filoham-pirenena tany Sainte Marie fa handray ireo mpiasan’ny Jirama sy ny sendika ka hijery ny vahaolana hamahana ny disadisa rehetra izay misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro.
J.C




