Andro Afrikanina JALCC 2025: Miezaka manenjika ireo manao kolikoly ny fitsarana

Notanterahina ny zoma teo, tetsy Anosy, ny fankalazana ny Andro Afrikanina iadiana amin’ny kolikoly JALCC. Anisan’ny nampahafantatra ny ezaka nataony tamin’izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana.

Nambaran’ny tale jeneralin’ny raharaham-pitsarana sy ny fandinihana ny fanavaozana ny lalàna, Rakotondrajery Salohy Noro­tiana, nisolo tena ny minisitry ny Fitsarana ny tenany tamin’ izany. Nisongadina ny ezaka nataon’ny minisitera amin’ny fanamafisana ny fitsirihana, fanenjehana sy fanasaziana ireo voarohirohy amin’ny kolikoly, fanentanana ny vahoaka sy fanofanana ireo mpisehatra, fanatsarana ny fahazoana miditra amin’ny fitsarana. Eo koa ny fanorenana fotodrafitrasa, fahaizamanaon’ny mpi­asa sy ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana.
Etsy andaniny, nanteriny fa tsy olana ara-pitantanana fotsiny ny kolikoly. “Sakana mivantana amin’ny hasin’ny maha olona sy ny zon’ny olom-pirenena tsirairay, mampahantra sy manapotika ny soatoa­vina maha olona, ary manakana ny fanajana ireo zo fototra maha olona”, hoy izy. Notsia­hiviny fa nandray anjara mavitrika tamin’ny ady amin’ny kolikoly i Madagasikara, tamin’ ny alalan’ny fananganana ny paikady nasionaly 2025–2030 sy ny fandraisana fanapahan-kevitra politika mazava. Ani­san’izany ko any tetikasa ha­natsarana ny fari-piainan’ny voafonja, iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ho fiarovana ny fahamendrehana sy zon’ny olombelona any am-ponja. Lohahevitra novoizina tamin’izao JALCC izao : “Ham­pi­roborobo ny hasin’ny maha olona amin’ny ady amin’ny kolikoly».
Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izany ny avy amin’ny Bianco sy ny CSI ary ny avy amin’ny fiarahamonim-pire­nena.

Synèse R.

Partager sur: