Nanomboka ny sabotsy teo, ny famantarana sy fitsirihina ny fahasalaman’ny isan-tokantrano mahakasika ny tazomoka sy ny tsy fanjarian-tsakafo ao anatin’ny distrikan’ Ikongo. Ampiarahina amin’ny fanadihadiana momba ny fananan’ny tokantrano koa ny lay sy ny fomba fampiasana azy. Zava-dehibe tanterahina mandritra ny fitsidihana ny fanamafisana ny fanentanana amin’ny ady amin’ny tazomoka ho an’ny isam-baravarana, izay manomboka amin’ny fisorohana hatrany amin’ny fitsaboana ny aretina tazo.
Hivoaka haingana ao anatin’ny fanadihadiana ny fahafantarana ireo olona marary sy mitondra ny otrikaretina tazomoka. Eo koa ireo zaza mbola tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ka ahafahana mandray fanapahan-kevitra amin’ ny fandraisana an-tanana. Dimy andro no fe-potoana hanaovana ny fanadihadiana. Hitety tokantrano ireo mpanadihady ao Ikongo sy amin’ireo kaominina rehetra ahitana ny aretina tazomoka ao anatin’ny distrikan’Ikongo.
Atao mandritra ny fanadihadiana koa ny fanisana ireo tokantrano efa manana karine fokontany isaky ny kaominina.
Mandray anjara amin’ny fanadihadiana ireo ratsamangaikan’ny fanjakana miasa ho an’ny ady amin’ny tazomoka. Ao anatiny ny « Centre opérationnel de réponse à l’urgence palludique », ahitana ny mpitsabo sy ny mpiasan’ny fahasalamana, ny minisiteran’ny Serasera, ireo mpiasan’ny minisitera any amin’ny faritra Fitovinany ary ireo mpilatsaka an-tsitrapo sy ny skoto.
Vonjy




