Fampianarana teknika : Nandray ny asany ny talem-paritra vaovao

Tontosoa ny faran’ny herinandro teo, ny fifamindram-pitantana teo amin’ny talem-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa vaovao ao Atsimo Atsinanana, Aina Perle Hortense, sy ny talem-paritra nisolo toerana, Vagnomisy. Tao amin’ny foiben-toeran’ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa Farafangana no nanaovana izany. Nanome voninahitra ny governoran’ny faritra Atsimo Atsinanana, Rajaobelina Gerard, ny lefitry ny distrika Fara­fan­gana, Haja Sebastien ary ny tale misahana ny DPL, Rakoto­manga Jean Luc avy any amin’ny minisitera foibe. Tao anatiny firahalahiana tanteraka ny famindram-pitantanana na teo aza ny filazan’ireo sendika fa tsy manaiky izao fanendrena izao. Satria, tsy olona avy amin’ny sendika io voatendry io. Nilaza ny dingana vitany ny talem-paritra nisolo toerana, teo ny fikarakarana ny fanadinam-panjakana BEP sy CAP. Vonona hiasa ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka ary hihaona amin’ny mpiara-miasa ny tale vaovao. Hidina ifotony hitsidika ny ivotoeram-pampiofanana ao Ampagnarena izy. Nampiantso ny mpanao gazety ireo sendika mialoha ny famindram-pitantana fa ny onjam-peo tokana no tonga namaly ny fanasana.

Vonjy

Partager sur: