FANTINA sy FINTINA

Nitsikera ilay depiote tany Fianarantsoa nampitenenina ny fe-potoam-piasan’ny filoha Rajoelina Andry ny HVM, amin’ny alalan’ny filoha nasionaly, Rako­tovaoRivo. Nohitsiny fa kolikoly izany. «Rehefa mbola te hirotsaka ny filoha ankehitriny, tokony izy no miteny. Rehefa tapitra dia tapitra. Tsy fanarahan-dalana ny ankoatra izay», hoy izy.
Nosokafana ny herinandro teo ny foibe ho an’ny antontan-kevitra manokana eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), etsy amin’ny FTM, Ambanidia. Nanohana izany ny avy amin’ny tetikasa Produir. Natao izany ho fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fanofanana sy ahazoana ny vaovao anaty fotoana fohy.
Nambaran’ny filohan’ny kaomity mitandro ny fahitsiana (CSI), Andriamifidy Jean Louis fa sakana tsy ahafahana manenjika ireo manao kolikoly ny lalàna misy amin’izao fotoana izao. “Tsy afaka manenjika ny kolikoly amin’ny fifidianana isika satria sokajiana ho fandikan-dalàna tsotra izany heloka izany”, hoy izy tetsy Anosy, ny herinandro teo.
Nanamafy ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ ny ady amin’ny kolikoly sy fanamafisana ny fitanta­nana mangarahara ny loholona Tsiebo Mahaleo. Nanteriny ny fankasitrahana manokana ho an’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpisehatra rehetra amin’io ady iombonana io. Nisolo tena ny filohan’ny Antenimieran­doholona ny tenany tamin’izany.

Partager sur: