Kaominina Ikongo : Mitohy ny fanadiovana ny tanàna amin’ny asa tanamaro

Ambany ny toerana misy ny kaominin’Ikongo raha mitaha amin’ny kaominina mifanila aminy. Ao anatin’ny tandavanala Fandriana-Vondrozo no misy ny kaominina ka maitso ny tontolo ary misy rotsakorana saika mandavataona.

Mando lava ny tanàna ka manamora ny fisian’ ny moka eny amin’ireo lobolobo. Tafiditra amin’ny paikady iadiana amin’ny aretina tazo ny fanadiovana ny tanàna hanalana lobolobo sy ny rano mihandrona mitarika moka. Taorian’ny fanokafana tamin’ ny fomba ofisialy ny fanadiovana nataon’ny mpikamban’ny governamanta, nandritra ny fandalovana teo amin’ny fo­kontany Voninkazo, nitohy ny asa fanadiovana ka sandaina sakafo ny asa tanamaro. Fo­kontany roa : Mangarivotra sy Ambatoaranana no nanao­vana ny asa ka nandray anjara avokoa ny lehilahy sy vehivavy 100 nifanome tanana tany
an-toerana. Hihena ny moka rehefa madio ny tanàna, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza farany teo, potika ny tanàna mila fanadiovana nefa tsy manana fitaovana ny mponina hanadiovana, hoy ny mpo­nina.
Antony telo no nahatongavan’ny solontenam-panjakana tany amin’ny distrikan’Ikongo ny herinandro lasa teo, hitondra vahaolana ara-pitsaboana sy hamaha ny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo mamparefo ny vahoaka ka mora handairan’ ny aretina. Ankoatra ny asa tanamaro hanadiovana ny tanàna, nisy ny fizarana tohana ara-tsakafo ho an’ny fianakaviana marefo. Nizarana karinem-pokontany ireo mpisitraka ny tohana rehetra. Nanamafy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka fa ho mafy kokoa ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny aretina tazo any an-toerana.
Nentanina koa ny mpan­jaka mpitantana ara-drazana ny tanàna handrisika ny mponina hanatona toeram-pitsaboana rehefa misy tsy salama, manana fanafody mahasitrana tazomoka ny tobim-pahasalamana. ACT ny fanafody hitsaboana ny tazo omena maimaimpoana ireo marary aorian’ ny fitiliana. Ampy ny fanafody ary vao tonga ny tahiry fanampiny. Tao amin’ny kaominina Maromiandra notsidihan’ny tomponandraikim-panjakana, tamin’ny olona 17 vita fitiliana, 11 no hita fa voan’ny tazo. Roa kosa no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo tao anatin’ny olona 51 notiliana.

Vonjy

Partager sur: