Minisitra Mara Volamiranty Donna : “Be ny fanaovana fanoherana bontolo”

“Betsaka ny fanelezana tsaho, fanaovana fanoherana bontolo amin’ny famoahana vaovao tsy marina”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna, tany Sainte Marie, ny faran’ny herinandro teo. Ny fanomezana vaovao sy antontanisa diso, ohatra, no tena olana tamin’ny tranga tany Ikongo. Raha momba ny fahasalamana: tsy tokony hiala amin’ny tomponandraikitry ny fahasalamana raha hitady vaovao. Izay no hoe vaovao marina sy voa­marina, indrindra iankinan’ny etika sy ny deontolojia: ny vaovao voalanjalanja. Rehefa nanadihady tany ifotony, 35 no namoy ny ainy tamin’ny tazo moka tao an-toerana.
“Manana ny fotoany ny amin’izany ny filohan’ny Repo­blika”, hoy izy momba ny fa­nendrena governoran’ny Faritra izay maro no mpisolo toerana. Tsy mahasaka izany fampandrosoana izany. Ao anatin’ny fandinihana lalina ny amin’izany izao. Rehefa manao safidy ny fanendrena tomponandraiki-panjakana ny filoha, tena mijery ny pitsopi­tsony. Maro ny governora lasa depiote. Satria miasa tsara izy dia lasa mamim-bahoaka. Misy koa ny governora lasa mini­sitra.
Resahina hatrany ny momba ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc eto Mada­gasikara, isaky ny filankevitry ny minisitra sy ny filankevitry ny governemanta. Handray ny maha filohan’ny Sadc azy ny filoha Rajoelina Andry. Ao amin’izay firenena misy ny filoha mitarika no anaovana ny fihaonana an-tampony. Ao anatin’ny fanomanana tanteraka izany i Madagasikara. Tokony tsy hiahiahy amin’izay zavatra rehetra tapaka amin’io fihaonana an-tampony io ny any amin’ny Faritra. Hisitraka izay tapaka amin’izany ny Faritra rehetra, fa tsy Antana­narivo ihany.

R. Nd.

Partager sur: