Nomarihina omaly, tetsy amin’ny trano fonenan’ny masoivoho etsy Ivandry ny fetim-pirenena Frantsay. Anisan’ny nambaran’ny ambasadaoro, Arnaud Guillois, ny momba ireo Nosy malagasy manodidina.
Notsiahiviny tamin’ny lahateniny ny dinika teo amin’ny vaomieran’ny firenena roa tonta momba ireo Nosy Malagasy, ny 30 jona teo. “Efa namoaka ny fanambarana iombonana ireo mpivory ka ankasitrahana. Midika ho fahamatorana izany ary tokony dinihina ao anatin’ny fitoniana ny momba ireo Nosy ireo”, hoy ny ambasadaoro, Arnaud Guillois. Notsiahiviny koa ny fitsidihana manan-tantara nataon’ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron, teto Madagasikara ny avrily teo ka nankasitrahany ny vahoaka malagasy tamin’izany. Nanteriny ny fifanaovan-tsonia tamin’iny fitsidihana iny. Eo ny fiaraha-miasa ara-pambolena sy ny sehatry ny fampianarana. Manampy izany ny fiaraha-miasa amin’ny AFD. Nambarany koa fa mamerina fahatsiarovana eo amin’ny tantara iraisana iny fitsidihan’ny filoha Frantsay iny ary nampahazava ny aloka teo amin’ny firenena roa tonta. “Manamafy ny fiaraha-miasa izany”, hoy ihany izy.
Fitsinjaram-pahefana eny ifotony
Etsy andaniny, natsidiny sahady koa ny hanatanterahana eto Madagasikara ny 18 sy ny 19 septambra izao ny atrikasa momba ny fitsinjaram-pahefana. Hijerena ny hametrahana ireo fandaharanasa eny ifotony izany.
Ankoatra izany, nambarany fa manohy hatrany famatsiam-bola ataony i Frantsa ho amin’ny fampandrosoana maharitra iarahana amin’ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena. Anisan’ny efa natao sy tohizana ny fampiroboroboana ny fambolena, ny momba ny rano, ny fanjarian-tsakafo ary ny fahaiza-mitantana. Eo koa ny fandaharanasa Padeve, ho fampandrosoana ireo tanan-dehibe. Ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina eo anivon’ny Gem sy ny Medef amin’ireo tetikasa maromaro. Anisan’izany ny fotodrafitrasa, ny angovo, ny teknolojian’ny fifandraisana “Tic”…
Synèse R.




