Anisan’ireo nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard tany Frantsa ilay minisitra delege eo anivon’ny minisiteran’ny Eoropa sy ny raharaham-bahiny, misahana ny Frankofonia sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, Thani Mohamed Soilihi. Avy any Mayotte izy ary efa loholona Frantsay fa malagasy kosa ny razambeny.
Nandefa taratasy misokatra eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny herinandro teo. Nivoitra ao anatin’izany ny fitakiany ny fitantanana ny Jirama taorian’ny nialany teo amin’ny fitondrana ny taona 2009. Nohitsiny tamin’izany fa tena fanaovana tsinontsinona ny vahoaka malagasy ny olan’ity orinasa ity.
Miantso ireo tafika ho tena tomponandraikitra eto amin’ny firenena ny filohan’ny RMDM, ny pasitera Tsarahame Edouard. Nambarany fa natao ho an’ny tanindrazana izy ireo. “Tsapa fa tsy misy jeneraly eto raha hiaro tanindrazana fa misy marobe kosa izy ireo raha eto raha hanenjika anay eny amin’ny kianja 13 mey”, hoy izy.
Manan-jo hahafantatra ny marina ny vahoaka malagasy, araka ny nambaran’ny depiote, Ratsiraka Roland, teny Ivandry, omaly. Nambarany fa tafiditra ao anatin’izany ny momba ny fahasalamana, indrindra ny momba ireo maty noho ny fanapoizinana. “Mila mpitondra madio fo sy tsy mivadika ary marina sy mahatoky isika”, hoy izy.




