Fidinana ifotony eny amin’ny faritra : Nampahafantatra ny fanajana ny demokrasia ny HCDDED

Nitohy tany Toamasina indray ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny tany tan-dalana (HCDDED), ny faran’ny herinandro teo. Indroa miantoana ny famelabelarana nataon’ireo mpikambana notarihin’ny filohany, Ranadialison Angelo, ka teo ny natao tao amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana. Nihaonan’ izy ireo amin’ny solontenam-panjakana sy olom-boafidy ary koa ireo eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena. Nanotrona izany ny Prefet, Benandrasana Cyrille. Ny dinika sy famelabelarana faharoa, nihaonana tamin’ireo mpianatry ny oniversite teny Barikadi­my ka anisan’izany ireo mpianatra lalàna. Nampahafan­tarin’ireo mpikambana eo anivon’ny HCDDED tamin’izany ny momba ny sata mifehy sy ny asa sahanin’ity rafitra voalazan’ny Lalàmpanorenana ity. “Manara-maso ny fanajana ny politikan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny demokrasia izahay”, hoy izy ireo. Eo koa ny fanaraha-maso ny fanajana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ary koa ny fampiboroboana ny fiarovana ny zon’olombelona, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. Anisan’ny nifantohan’ny dinika ireo teboka maromaro ireo, indrindra ny mom­ba ny fandikana ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra ary koa ny tany tan-dalàna. Nalalaka tamin’ny fa­nontaniana sy ny fifanakalozana ny rehetra ary samy nitondran’ireo mpikambana fanazavana hatrany izany.
Tsiahivina fa efa nanao he­tsika tahaka izao tany Fianarantsoa sy tany Maha­janga tamin’ny faran’ny taona lasa ireto eo anivon’ny HCD DED ireto.

Synèse R.

Partager sur: