Filazana ho manana laza adina mialoha: Olona 4 voasambotra, naiditra vonjimaika am-ponja ny 3

Maro ny tsaho mandeha eny amin’ny tambajotra sy ny vaovao miely momba ny olona voasambotra fa nanaparitaka mialoha ny laza adina bakalorea. Nitondra fanazavana mahakasika izay ny tale jeneralin’ny Fampianarana ambony, Docteur Behaja Alan Basile, omaly, teny Fiadanana.

Manamafy ny minisite­ran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa tsy misy mihitsy ny laza adina nivoaka mialoha eny amin’ny tambajotra fa mpisoloky ireo olona ni­la­za izany. Voamarina tamin’ny fanadihadiana ireo olona voasambotra ka efa notanana vonjimaika any am-ponja ny telo amin’ireo efatra voarohirohy. Ny iray kosa mbola atao famotorana ary hatolotra ny mpampanoa lalàna tsy ho ela. Tsy mijanona amin’ireo olona efatra ny raharaha fa miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana, indrindra amin’ny sampandraharaha miady amin’ny heloka ana habaka ny mi­nisitera. Mitohy ny fanadihadiana, olona hafa mbola manely tsaho sy milaza fa manana laza adina bakalorea 2025.
Mitondra fitoniana ho an’ ny mpiadina sy ny ray aman-dreny ny fanjakana ary ma­nantitrantitra fa miasa ny minisiteran’ny Fampianarana ambony hampirindra ny bakalorea. Misy rahateo ny fepetra efa noraisina sy ny zava-baovao maromaro nentin’ny minisitera hahatongavana amin’izay.
Anisan’izany ny fametrahana « caméra de sécurité » manaraka ny zavatra miseho rehetra amin’ny toerana fihibohana misy ny mpampianatra mamolavola ny laza adina. Mifarimbona ny mpitandro filaminana telo tonta miaro ny toerana ahitana ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy. Tsy misy olona afaka miditra ao amin’ny toerana fihibohana.
Momba ny fitsinjarana ny laza adina, zava-baovao iarahana amin’ny mpiray ombon’ antoka izay fepetra noraisina ho fiarovana ny fisian’ny “caméra de surveillance” hanaraka ny laza adina hanaraha-maso ny valopy hatrany amin’ny foibem-panadiana re­hetra. Valopy efa “imprimé” no ampiasaina ho an’ny valopy asiana ny laza adina. Misora­tra eo amin’ny valopy mazava ny foibem-panadinana, ny isan’ny mpiadina ao amin’ny efitrano ary ny taranja voakasika.

Vonjy

Partager sur: