INDRAY MIJERY

Ny tsiokan’ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny andro, ny telo andro voalohany. Hahazo vahana izany manomboka any amin’ny fisasahan’ny herinandro. Ny fandalovan’ny rindrin-drahona any atsimon’ny Nosy kosa no hanamarika ny toetry ny andro any amin’ny faran’ny fe-potoana. Ho maina ny andro amin’ny ankapobeny manerana ny Nosy mandritra ity herinandro ity. Hanerika indraindray ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany manomboka ny alakamisy. Hisy andian-javona ny vao maraina ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany mandritra ny telo andro voalohany. 8 – 23°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 18 – 36°C ny tolakandro.

Nidina ho 56,03% ny taham-pahafahana fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Toamasina I raha 62,36% izany ny taona 2024. Teto Antananarivo Renivohitra, 57,35% ny taham-pahafahana ho an’ity taona ity.

Tao anatin’ny telo andro monja, olona an’arivony nisitraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana tamin’ireo sampandraharaha maro tao amin’ny CHRR Farafangana nandritra ny hetsika “Mission Mé­dico-Chirrurgicale”. Fitsaboana ny reny, ny aretin’ny maso, ny nify ary ny ativava, ny taovam-pisefoana, ny aretin’ny fo, ny fandidiana samihafa.

Partager sur: