Lahiantitra 77 taona voasoloky ka tonga tampoka tany Foulpointe, omaly. Niainga avy eto Antananarivo io raim-pianakaviana io rehefa naharay hafatra miafina fa nahazo lelavola tamin’ny alalan’ny fisarihana. Very ary tsy nisy trano natoriana ilay voasoloky rehefa tonga tany Foulpointe izay toerana voalaza hangalana ny loka.
Jiolahy mpamaky trano voasambotry ny polisy Tao Tanambao, kaominina Maintirano, afakomaly. Mpameri-keloka amin’ny fandrobana ao an-toerana io olon-dratsy io ka efa nandrasan’ny mponina kendry tohana. Nahatrarana entana avy nangalarina teny aminy ka nanao mora ny fisamboran’ny mpitandro filaminana azy.
Mpanao taxi moto voasolokin’ny mpandeha teny Ankadifotsy, omaly. Nitondra baoritra ilay mpandeha ka napetrany teo amin’ilay taxi moto rehefa tonga izy. Lasany ny aroloha ary nampiandrasany ilay nitondra azy. Tsy niverina intsony io mpandeha io ka nosokafan’ilay mpanao taxi moto ny baoritra navela taminy kinanjo tsy nisy inona tao anatiny fa vato.




