Nifarana ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Gymnase Soafeno Antsiranana, ny hetsika fitetezam-paritra momba ny “Youth Connekt 2025”. Efa miomana sahady amin’ny fandraisana ny fihaonambe ny tanora aty Afrika, “Youth Connekt Summit Africa”, ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), izay tarihan’i Moustapha Marson Abdulah. Marihina fa miara-misalaha amin’ny fikarakarana ity hetsika goavana ity, ny MJS sy ny tetikasa Fihariana. Tohanan’ny Unicef Madagascar sy ny UNFPA Madagascar ary ny Pnud izany. Tafiditra amin’ny fandaharanasan’ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry, ity tetikasa ho an’ny tanora ity, izay mametraka ambony ny hoavin’ireo tanora. Satria, izy ireo no antokin’ny fampandrosoana sy ny hoavin’ny firenena.
Tsara ny mampahafantatra fa hetsika fahenina amin’ny fanomanana ny “Youth Connekt Africa” ity natao tany Antsiranana ity. Tsiahivina fa hotontosaina eto an-tanindrazana, ny 26-30 novambra ho avy izao, ity fivoriambe ny tanora Afrikanina ity.
Fitia Randria




