FANTINA sy FINTINA

Nilaza ny mbola haneho hevitra saingy mbola nisafidy ny hangina aloha izao ny minisitra teo aloha, Pierre Holder, raha ny nambarany teny Ivandry. Na izany aza, nanteriny fa anisan’ireo niara-nivory tamin’ny filoha Rajoelina Andry, teny Ivato, momba ny “Iles Eparses” izy ny taona 2019. “Mbola mpamakafaka ny raharaham-pirenena hatrany aho izao”, hoy izy.

Mitsipaka tanteraka ny fiaraha-mitantana ireo Nosy malagasy ny depioten’i Vatomandry, Ratsiraka Sophie. Nambarany fa efa antsika tanteraka ny “Iles Eparses” ka ny famerenana izany amin’i Madagasikara no ifampiresahana. “Ho hita eo indray ny momba ny fitantanana ireo Nosy ireo rehefa miverina amintsika tanteraka izany”, hoy izy.

Niantso ny fijoroan’ny rehetra ny avy amin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. Nambarany fa tsy azo ekena izao fanimbana ny firenena izao. “Finiavana politika no ahafahana manarina ny orinasa Jirama fa tsy fanovana olona na ny rafitra. Tsy azo ekena ilay sata vaovaon’ny Jirama S.A… Aoka tsy hifanabado eto isika”, hoy izy.

Tokony handinika lalina izao fitondrana izao, araka ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika, Rakotomavo Lanto. Maro ireo miteniteny foana, araka ny nambarany. “Mitazona fahefana amin’ny fomba rehetra fa tsy vonona hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena”, hoy izy. Nohitsiny fa tokony hajanona ny fikasana hanalava fe-potoam-piasan’ny mpitondra.

Partager sur: