Ikongo : Tokantrano 4 000 nahazo fanampiana

Andro voalohany amin’ny fidinan’ny ekipan’ny fiadidiana ny Repoblika any Ikongo, omaly. Nisitraka fanampiana avy hatrany ireo tokantrano marefo maherin’ny 4000 any an-toe­rana. Ahitana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) izany. Nisahana ny fizarana izany ny avy amin’ny eki­pan’ny fitaleavana misahana ny Raharaha sosialy an’ny fiadidiana ny Repoblika. Iraka avy amin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry sy ny vadiny ireto tonga any Ikongo ireto. Anisan’ny hisitraka fanampiana ireo avy amin’ny kaominina rehetra ao amin’ny distrikan’Ikongo. Anisan’izany ny avy any Ambatofotsy, Ambinanitromby, Maromiandra, Belemoka ary Ikongo. Nampahery sy nitondra teny fampiononana ary namangy ireo fianakaviana nidonam-pahoriana noho ny tazomoka mahery vaika tao an-toerana koa ireto delegasionina ireto.

Tatiana

Partager sur: