INDRAY MIJERY

Atrikasa fanadihadiana roa no natao tany An­tsirabe momba ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika, izay mandrakotra distrika 32. Any Atsimo (16 distrika), Atsimo Atsinanana (11 distrika), ary faritra sasan­tsasany any Atsinanana (4 distrika) sy any Avaratra Atsi­nanana ( distrika tokana). Manampy izay ny tsy fanjarian-tsakafo mahasahana distrika 12 any Atsimo sy Ikongo izay tena voa mafy amin’ny faritra Atsimo Atsi­nanana. Mbola hitohy hatramin’ny faran’ny volana izao ny fanadihadiana ka hiompana manokana amin’ny distrika 10 ambiny mandrafitra ny Atsimo Atsinanana.

Efa manomana ny fidiran’ny mpianatra ho an’ny taom-pianarana vaovao sahady ny ray aman-dreny amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy hirosoana ny famandrihana mialoha ny toerana dieny izao any an-tsekoly. Misy sarany 25 000 Ar hatramin’ny 50 000 Ar isaky ny mpianatra ny fanatanterahana izany arakaraka ny sekoly. Ny volana aogositra kosa no hefaina ny frais généraux sy ny saram-pianarana volana septambra.

Efa ao anaty fialantsasatra ny ankamaroan’ny ankizy. Maro ireo ray aman-dreny mitady toerana ahafahan’ny zanany mianatra asa tanana na mivelatra amin’ ny sehatra hafa. Sady fotoana ahafantaran’ny ankizy zavatra hafa no hisokafany amin’ny manodidina ny fivoahany mianatra ireny karazana asa tanana ireny.

Partager sur: