Natao ny 11 hatramin’ny 13 jolay teo ny lasy « Am-pitia » an’ny sampana Mpanazava Voronkely, teny amin’ny Kolejy teôlojika Ivato. Maherin’ny 300 isa izy ireo, 6 ka hatramin’ny 12 taona. Narahan’ny mpanabe « cheftaines » miisa 50 sy filoha ao amin’ny faritany Analamanga Andrefana miisa 30, nanamarihana ny faha-60 taona ny Voronkely sy ny tsiambaratelony.
Nozaraina 6 ny sokajin-dasy (Ankarana, Isalo, Masoala, Makay, Tsaratanàna, Mikea), ka fivondronana 32 no nandefa ny sampana Mavo tao aminy niatrika ny lasy. Tondrozotra noraisina ny hoe : « Mifankatiava tsara ary aoka hanao soa amin’ny olona rehetra » (I Petera 4 ; 8b sy Galatiana 6 :10 b)
Notsiahivin’Andrianarison Fy na Pompa Miokitra, Reny mpiahy ny fankalazana, ireo lalàna roa iainan’ny Voronkely. Voalohany, tsy miadiady, fa mifankatia toy ny mpirahavavy ny Voronkely. Faharoa, mihaino ny mpiandraikitra sy ny lehibe ny Voronkely. Nentaniny izy ireo hizara fitia amin’ny mpiray tarika, mpiray andiany, mpiray fivondronana ary mpiray faritany ao Analamanga Andrefana. Tsy kabary fotsiny ireo, fa nisy ny toerana iray nomanin’ny ekipa sy ny kaomitin’ny fankalazana nanehoana ny fifankatiavana, sady nizarana vatomamy.
Njaka A.




