Fiaraha-miasa amin’ny MFFT: Mamaha ny olan’ny fananantany ireo injenieran’ny topo

Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, ireo mpikambana eo anivon’ny Birao vaovaon’ny sendikan’ny injenieran’ny fandrefesan-tany (SisTM). Niompana amin’ny fiaraha-miasa ny dinika.

Nisongadina tamin’ny fihaonana ny fahavonon’ireto “Syndicat des ingénieurs des services topographiques – SisTM” ireto hi­ara-hiasa akaiky amin’ny MF FT. Tafiditra amin’ny ho fanohanana sy fanatanterahana ireo vinan’ny fitondram-panjakana izany. Anisan’izany ny amin’ny sehatry ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny asa fandrefesan-tany eto Madaga­si­kara.
Nankasitraka ny minisitra Andriantsitohaina Naina amin’ ny politika itantanany ny minisitera amin’ny fanavaozana nataony ireto sendika ireto. “Nampitombo ny fahaiza-ma­naonay injenieran’ny Sam­pan­draharaha fandrefesan-tany manerana ny Nosy, ny fa­navaozana nentin’ny MFFT nandritra ny fivoriambe ara-potoana natao farany teo”, hoy izy ireo.

Famaritana niomerika ny tanim-panjakana

Voatanisa ao anatin’izany ny fitsirihana niomerika mba hanamafisana ny fisorohana ny fifandirana sy hanomezana lanja ny zo ara-tany. Teo koa ny famaritana niomerika ny tanim-panjakana ho fanisana sy fiarovana izany. Ma­nampy ireo ny fandrefesana faobe ireo tanin’olon-tsotra mba hampidirana izany ao anatin’ny Drafitra eny ifotony amin’ny fahazoana tany “Plof” ho fiarovana ny fananan’izy ireo.
Etsy andaniny, tafiditra ao anatin’izany ny fampandrosoana sy fampiasana ilay rindrambaiko malagasy “Topo­ma­nager”. “Vahaolana niomerika manampy amin’ny fitantanana, fanaraha-maso ary fanamafisana ny mangarahara amin’ny asa fandrefesan-tany izany”, hoy ihany izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: