INDRAY MIJERY

Nanao tatitra ny BNGRC fa efa miha midina ny tahan’ny olona mitondra ny valanaretina tazomoka any amin’ireo fokontany sasany ao Ikongo. Anisan’izany ny fokontany Tsaratanteraka, 8 km miala ny renivohitry ny kaominina. Olona 2 sisa no voatery tsy maintsy naiditra hopitaly ka ny iray nararin’ny tazomoka ary ny iray noho ny aretina hafa.

Andriantsimba Haja (Tsohia Mizara), filohan’ny tanora mpanolotsaina eo amin’ny firaisan’ny skotisma eto Madagasikara no hatolotra ho kandidan’ny “Youth Advisor”. Ao anatin’ny fiomanana amin’ny fandraisana ny fivoriamben’ny tanora skoto eto Afrika, andiany faha-10, izany.

Hofanina amin’ny asa tanana ireo tanora marenina miisa 50. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Asa tanana sy ny Akama ary ny orinasa Lenka no hanatanterahana izany. Tanora 10 isaky ny andiany no hofanina ao amin’ny Cenam ary hahazo mari-piofanana. Ho tafiditra miasa avy hatrany ireo izay maharaka ny fenitra ara-kalitao.

Partager sur: