Polisim-pirenena : Nahazo tohana avy amin’ny masoivohon’i Frantsa

Mitohy amin’ny lafiny maro ny fiaraha-miasa eo amin’ny masoivohon’i Frantsa sy ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka (MSP). Notoloran’ny Frantsay fitaovana ahafahana mitandro ny filaminana ny polisim-pirenena.

Natolotry ny Direction de la coopération de sécurité et de Défense (DCSD) eo anivon’ny masoivohon’i Frantsa ho an’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ireo masolavitra miisa efatra mahita amin’ny maizina. An­ton’izany, noho ny fiaraha-miasa efa nisy ela teo amin’ny roa tonta sy ho fampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra marolafy. Nano­lotra izany, ny Commandant divisionnaire de Police, Fré­déric Lartigau sy ny Colonel Pierre Couve, samy avy eo anivon’ny masoivohon’i Fran­tsa eto Madagasikara. Ny tale jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny Contrôleur général de Police Rakotozanany Dany Marius kosa no nisolo tena ny minisiteran’ny Filaminam-ba­hoaka nandray izany, notro­nin’ireo tomponandraikitra ambony avy eo anivon’ity minisitera ity.
Ilaina eo amin’ny sehatra fanaraha-maso mandritra ny fanadihadiana amin’ny fika­rohana fandikan-dalàna,
amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy iha­ny koa ireto fitaovana ireto, araka ny fanazavan’ity ma­namboninahitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenena ity.
Naneho fisaorana sy fankasitrahana manokana ny DCSD ny minisitera noho ity fanomezana ity. Maneho mazava ny firaisankina sy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny roa tonta izany, sady ahafahana mametraka ny fandriampahalemana maharitra ho an’ny mpiray tanindrazana.

Jean Claude

Partager sur: